LASY TSIMOKA 2005.
BEAR CREEK CAMP PENNSYLVANIA USA
20-21-22 AOGOSITRA 2005
|
Ry Ray aman-dreny sy ny zaza malagasy hajaina, Tonga indray ity ny fotoanan'ny Lasy tsimoka 2005.
Izany Asabotsy
tontolo, alahady tontolo, ary mody alatsinainy maraina
(aorian'ny sakafo maraina) ny 20, 21, 22 Aogositra
2005 ho avy izao.
Ireto avy no ao anatin'ny fotoana:
Ny karazan'olona handeha amin'ny lasy moa dia:
Ny sarany dia tsy novana fa mijanona ho $80.00 isan-jaza. Ny olona izay misakafo ary mipetraka amin'ny lasy dia mandoa $40. Voafetra ho ankizy 30 ihany anefa hatramin'izao ny mipetraka ao amin'ny lasy. Koa dia satria efa antomotra ny lasy dia manantena fa ho tonga faingana ny taratasy fanamafisana avy any aminareo. Alefa amin'ny paositra miaraka amin'ny vola fandraisana anjara Jereo ato izany. Ny vola deposit moa dia efa naloha. Mbola hisy fanazavana amin'ny antsipirihany amin'ny manaraka mikasika ny fandaniana rehetra. Ny fanontaniana rehetra dia avantano amin'ity sehatra ity na koa Mialy Rabe Ranajnivo (919) 835 9877 na email ary koa Rolls Rafam (908) 351-8941 na email raha NY sy ny manodidina, misaotra betsaka amin'ny fiaraha-miasa! Toerana: BEAR CREEK CAMP, POCONOS REGION PENSYLVANIA USA 3601 Bear Creek blv,Wilkes Barre, PA 18702 Ny hivantanana ny Asabotsy maraina (20 Aogositra amin'ny 11 maraina) dia: GOOD SHEPARD LUTHERIAN CHURCH 195 EAST NORTHAMPTON STREET, WILKES BARRE PA 18702 Raha misy olona manokana hiaraka aminareo ka haka fandriana arak'izany ao amin'ny camp dia $15 ary ny sakafo izay ho faritana ihany. Ny lazaina eto dia ireo olona "zaza-ankizy" izay tsy hanaraka ny activites ny ankizy 5 ans miakatra. Raha miaraka amin'ny ray aman-dreny izy dia lafatra. Ny vola $80 dia trano, sakafo, fitaovana hampiasain'ny ankizy sy fandaniana ankapobeny. Vidin'ny sakafo mihinana in-6 sy snacks sy fitaovana hampiasain'ny ankizy sy fandaniana ankapobeny. Ny vola $40 dia olon-dehibe, vidin'ny trano ary ny sakafony (in-6). Ohatra amin'ny sarany:
6) Dia manantena haheno vaovao aminareo tsy ho ela ary hilako haingana ny adiresinareo handefasana fitaovana ho an'ny ankizy. Hisy fanazavana fanampiny halefa "mail" ho anareo any an-trano, izay miaraka amin'ny fitaovana. Misaotra mialoha, Hoy Mialy Rabe sy ny mpanampy azy. Raha tia hitsidika ny ny topin'ilay Camp ianao dia ity ny adiresiny. http://www.bearcreekcamp.org/index.htm Telephone 570-472-3741 FAX 570-472-3742 Postal address P.O. Box 278 Bear Creek, PA 18602 Electronic mail General Information: campinfo@bearcreekcamp.org Ity indray ny fanoroana lalana nalaina avy ao amin'io Topy io.
|